Teny Fitarihana
Mamarana ny enimbolana voalohany isika izay niresahantsika indrindra ny momba ny finoana. Izay nokendrena indrindra dia ny hampiorina ny finoantsika ao amin'i Jesoa Kristy. Izany no antony iray nifidianana ny lohahevitra amin'izao volana Jona izao manao hoe: "MAMPIORINA NY FINOANA"
"Mampiorina ny finoana" satria avy amin'Andriamanitra izany ary herin'Andriamanitra miasa ao amin'ny olona. Saingy zava-dehibe tokoa ny safidin'ny olona hatoky an'Andriamanitra sy hifikitra Aminy.
Ny Alahady aorinan'ny Pentekosta no antsoin'ny Fiangonana hoe: Alahadin'ny TRINITE, ho fiderana sy fankalazana an'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina. Andriamanitra Telo izay iray. Andriamanitra Tokana miseho amin'ny endrika telo. Hamafisina indrindra eto ny fahafenoan'Andriamanitra miseho amin'ireo endrika telo samy hafa ireo, kanefa mifameno tanteraka fa tsy azo sarahana.
VAOVAO
- Jereo eto ny plan fanitarana ny trano fiangonana (08/06/09)
Ezaka fanitarana ny trano fiangonana. Eo amin'ny vanim-potoana faha-3 izao ny fanatanterahana ny asa dia ny famitana ny "poteau sy poutre en bêton" izay hizaka ny rindrana any ambony. Izany dia novinavinain'ny komity ho vitaina mandritra ity taona 2010 ity, ka amin'ny faran'ny volana Martsa 2010 no noeritreretina hanombohana ny asa. Efa manomboka noho izany ny fitetezana sy famangiana ireo tokatrano tsirairay avy mba ho fanentanana ny kristiana handray anjara biriky ho amin'izany asa lehibe izany. Eo amin'ny 6.329.500Ar ny devis. (08/03/10)
- AIM-PANAHY
- ROHY HAFA
Milazà fomba manokana nanehoanao ny fitiavana ny hafa nentinao milaza fa zanak'Andriamanitra ianao?
Tsara ho fantatra
Volana Novambra 2009: Alahadin'ny taranaka vaovao.
20 Oktobra 2009: Fanombohana ny fananganana ny rindrin'ny fiangonana, ilany avaratra
31 Mey 2009: Pentekosta
24 Mey 2009: Voka-dehibe
19 Aprily 2009: Famaranana ny jobily faha 140 taona ny fiangonana
12 Aprily 2009: Paska
06 - 07 Desambra 2008: Fandraisan-tanana ny Mpitandrina RATSIRESY Gilbert mivady
Oktobra - Novambra 2008: Fetin'ny taranaka